App search

Vakio miaraka amin'i Akili - T

co.akiliandme.curiousreader.differentplaces_malagasy
10,000+
installs · ≈25K
—
0 ratings
—
first release
2022-03-31
last update

Description

Miaràha amin’i Akili, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany!

TOERANA MARO BE Miaràha amin’i Akili na andro na alina, izy mitsidika toerana maro samihafa ka ahafantarany fa feno zavatra mahafinaritra izao tontolo izao! Ho aiza i Akili avy eo? Anaty ala? Ambony sambo? Any an-trano? IANAO no misafidy miaraka amin’ity bokim-pifandraisana ity. Aza adino misavaona ny vorona, mampilalao ny rajako ary ny fifaninanana sambo eny an-dàlana! Manomboka eny ambony rahona hatrany amin’ny ranomasina mamirapiratra, safoy izao tontolo izao miaraka amin’ny ity tantara mampihetsi-po ity. FANDAHARAM-POTOANA * MAMAKY amin’ny alàlan’ny lentam-pahasarotana * MANDINIKA teny, sary ary hevitra amin’ny alàlan’ny endri-javatra mifandray * MIHAINO tantara feno sy fomba fiteny *MISAFIDY ny toerana alehan’i Akili manaraka—Ianao no manao ny tantara * AKILI no mitantara azy hatramin’ny farany * MAZOTOA mianatra mamaky MAIMAIM-POANA, TSY MISY DOKAMBAROTRA, TSISY VAROTRA AN-KERY! Maimaim-poana ny atiny rehetra, noforonin’ny Curious Learning sy Ubongo.. NY FANDAHARAM-POTOANA AMIN’NY FAHITA LAVITRA – AKILI AND ME Akili and Me dia kilalaon-tsaina amin’ny alàlan’ny sarimihetsika, noforonin’ny Ubongo, mpamorona ny Ubongo kids sy Izaho sy Akili – fampianarana mahafinaritra vita tao Afrika, hoan’ny Afrika. 4 taona i Akili, ary mipetraka miaraka amin’ny fianakaviany izy eny am-pototry ny tendrimbohitra Kilimanjaro, ao Tanzania. Manana tsiambaratelo izy: rehefa tafatory izy amin’ny alina dia miditra ao amin’ilay tanàna mahagaga antsoina oe Lala Land, toerana hianarany sy ny biby namany, momba ny fiteny, litera sy isa ary zava-kanto, sady manatsara toetra no mifehy ny fihetsem-pony ary manova malaky ny fiainan’ny ankizy! Miaraka amin’ny fampielezana manerana firenena dimy, ary fanarahana azy mavitribitrika amin’ny aterineto, tian’ny ankizy maneran-tany mihitsy ny fianarana majika miaraka amin’i Akili! Jereo ny horonan-tsary Akili and Me amin’ny aterineto ary tsidio ny tranonkala www.ubongo.org raha mandeha amin’ny firenenao ny fampianarana. MOMBA NY UBONGO Ubongo dia orinasa sosialy mamorona kilalaon-tsaina mampiasa ny teknolojia efa misy, hoan’ny ankizy ao Afrika. Manentana ny ankizy hianatra sy hitia fianarana! Manandratra avo ny herin’ny fialam-boly, ny fihitaran’ny haino aman-jery ary ny teknolojian’ny finday hanomezana fampianarana sy fanabeazana avo lenta. MOMBA NY CURIOUS LEARNING Curious Learning dia orinasa tsy mitady tombony, nitokana hampianatra hamaky teny sy hanoratra hoan’ireo olona te hianatra. Vondrona mpikaroka, mpamokatra ary mpanabe izahay, nitolo-tena hampianatra ankizy amin’ny fitenin-drazany maneran-tany amin’ny alàlan’ny porofo mivaingana sy antontan’isa voamarina. MOMBA NY APPLI Vakio miaraka amin'i Akili - Toerana Maro Be! Dia noforonin’ny sehatry ny Curious Reader, novokarin’ny Curious Learning hananganana traikefa famakiana manaitra sy mahaliana.

What's new

Updating for new Google policies and for newer device compatibility.

Details

Version—
Minimum Android version—
Reviews0
Developer websiteubongo.org
Available inworldwide (242)
Developer contactson the Business plan
Collected2026-11-02

This data in the API

The full record in JSON costs 1 token.

curl -H "X-API-Key: YOUR_KEY" \
  "https://apkapi.com/api/v1/app?id=co.akiliandme.curiousreader.differentplaces_malagasy"